Tonga nitsidika sy nankahery ireo ankizy mpianatry ny sekoly La Pepite d’or Ambohimanarina mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny sabotsy hariva teo ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier.
Anisan’ireny ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul, Raherisoa Vololona Victorine, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriborintany fahenina. Ankoatra ny resaka mivantana nifanaovan’izy ireo tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra miisa fito dia nisy ihany koa ny fanolorany ranom-boankazo ho an’ny marary hanampiana azy ireo. Tsy diso anjara koa ireo mpampianatra miisa roa tao anatin’ilay fiara sprinter niharam-boina. Ny iray tamin’izy ireo no tapa-tongotra raha mbola tany amin’ny trano fameloman’aina kosa ny iray, izay samy mpampianatry ny 10 eme C avokoa. Ho an-dRamatoa solombavambahoaka manokana moa dia tsiahivina fa anisan’ny manome lanja manokana ny vehivavy sy ny ankizy ao amin’ny faritra iadidiany ny tenany ka izany indrindra no antony nanatanterahany izao fitsidihana manokana izao. Nandeha manokana izy sady mbola nanolotra kojakoja toy ny couche ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.