Nahazo toerana hahafahana maka aina ireo mpanaraka marary
Nahazo toerana voatokana ho azy ireo mpanaraka marary etsy amin’ny hopitaly HJRA
Ampefiloha. “Abri air de détente” no anarany, toerana natao hakan’izy ireo aina sy hatoriany na hametrahana entana ihany koa, indrindra fa ho an’ireo avy lavitra tsy manana hafahafa hanofa hotely na trano fandraisam-bahiny. Amin’ny ankapobeny mantsy dia miaina izany ireo mpitondra marary manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA ka rehefa tsy manam-bola dia eny ambany lavarangan’ny hopitaly na eny amin’ny sisin-dalana eny izy ireo no maka aina. Mahazaka olona 50 isa eo ho eo ity “Abri air de détente” ity, mitovy amin’ny trano rehetra ihany, miorina amin’ny lalana mihazo ny sampana vonjy taitra na ny urgence. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy izy io vokatry ny fifanampian’ny hopitaly sy ny fikambanana Rotary Club Ainga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.