Actualités

Hopitaly CHU-JRA Nahazo fotodrafitrasa vaovao indray


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Nohavaozina tanteraka ny sampandraharaha fandidiana momba ny kibo ho an’ny ankizy madinika etsy amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha.

 Vokatry ny ezaky ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Vivo Enregy Madagascar no angady nanana izany, fotodrafitrasa notokanan’ny minisitra Andriamanarivo Lalatiana. Anisan’ny asa notanterahina ny fanolorana ny varavaran-kazo rehetra ho lasa vy aluminium, ny fantsona mitondra ny rano rehetra ankoatra ny jiro sy ny loko. Narahina fizarana kilalao ho an’ireo ankizy 32 mianadahy manaraka fitsaboana ao amin’ity sampandraharaha iray ity izany entina hamalifaliana azy ireo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely. Nisy ihany koa ny fanolorana vata fahitalavitra iray lehibe ao amin’ny efitrano filalaovan’izy ireo mba hahafahany miala voly toy ny ankizy rehetra. Tsiahivina moa fa mahatratra 30 isan-kerinandro ankehitriny ireo ankizy  mandalo fandidiana ao amin’ity sampandraharaha iray ity.

Pati





 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT