Actualités

Hopitaly CHU-JRA Ampefiloha Matory eny am-boditrano ny mpiandry marary


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Mampalahelo ny zava-mitranga eny anivon’ireo hopitalim-panjakana maro eto amintsika amin’ny alina. Raha vitan’ny mipetrapetraka eny an-jaridaina amin’ny antoandro dia mifanohitra amin’izay kosa amin’ny alina, indrindra fa ho an’ireo avy lavitra.

   Anisan’izany ny hopitaly CHU -JRA etsy Ampefiloha. Eny amin’ny vodin-tranon’ny hopitaly ireo mpiandry no matory noho ny tsy fisian’ny trano voatokana ho amin’izany. Ho ana raim-pianakaviana iray sendra ny gazety Tia Tanindrazana dia fantatra fa efa ho enim-bolana izao no niaretany izany tao amin’ity hopitaly  ity. Olona iray ihany mantsy ny mpiandry  marary mahazo alalana nefa roa izy ireo.  Vokany, ankoatra ny kaikitry ny moka dia hiaretan’izy ireo ny hatsiaka sy ny fofon-tsigara miampy ny loto miparitaka eny rehetra eny. Ny olombelona rahateo tsy akoho nefa marary  mikatsaka fahasalamana no karakaraina ao amin’ny hopitaly. Antso avo no atao amin’ny fanjakana mba hanangana toerana manokana hahafahan’izy ireny miandry mandritra ny alina.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT