Actualités

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Hikatona ao anatin’ny fotoana tsy voafetra


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Hakatona ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Tsaralalana manomboka izao.

 Asa fanamboarana no antony ary miankina amin’izay ho fahavitan’ny asa no hiverenan’ny hopitaly hisokatra indray. Hafindra eny amin’ny dispanseran’ny reny sy ny zaza eny Tsararalalana ihany ireo marary tsy mila fitazonana fa manao fizaham-pahasalamana fotsiny. Tsy maintsy mitady hopitaly hafa, toy ny eny amin’ny Hopitaly Raseta Befelatanana kosa ireo marary izay mila fitazonana ao amin’ny hopitaly ka mihevitra ny hiditra ao amin’ity hopitalin’ny reny sy ny zaza izay hasiam-panamboarana ity. Tokony hampahafantatra mazava ihany ny tompon’andraikitra hoe rahoviana vao ho vita tanteraka ny asa, ka afaka handray ireo marary mila fitsaboana sy fanaraha-maso ao an-toerana ity hopitaly, izay azo sokajiana ho hany tokana natokana ho an’ny reny sy ny zaza ity.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT