Kilan'ny afon-dasantsy ny Dokotera iray tao amin'ny Hopitalibe Ankazobe.
Mananosarotra ny fitsaboana azy etsy amin’ny HJRA Ampefiloha, noho ny fery manerana ny vatany. Io no vokatry ny fipoahan'ny solika izay nanakaiky afo, ny sabotsy sahabo tamin'ny roa ora sy sasany tolakandro. Araka ny loharanom-baovaon'ny Zandary any an-toerana, "Nisy lasantsy nipetraka teo akaikin’ny fatana nahandroana sakafo. Ny hafanan'ity vain'afo mivaivay no nampitroatra ilay eton'ny solika ka niteraka fipoahan'ilay varingarina nitehirizana azy. Tsy tana fa nivadika lelafo avokoa ilay vain'afo niampy ilay etona mora mirehitra. Niledaleda ny afo, vokatr’izany." Ny antso vonjy nataon'ilay mpitsabo, nanako tamin'ireo mpiara-miasa sy mpanampy azy ary ny teo amin'ny manodidina no nampirohotra ireto farany, izay efa taitran'ny fahitana setroka sy afobe ka nahasintonana ilay mpitsabo efa tao anaty loza. Voafehy tsy ela koa ny afo noho ny firaisankinan'ny mpiara-monina. Tsy vitsy ny entana kila forehitra ary may avokoa ny vatan'ilay mpitsabo. Nentina notsaboina aty Andrenivohitra ao amin'ny HJRA Ampefiloha izy, efa manao izay ho afany ireo mpitsabo namany. Tsy misy ahiana ny ainy, hatreto fa mbola ela ny ho fitsaboana ny fangirifirin'ny vatany, indrindra ireo fery lasa anaty nofo lalina, noho ny fahamaizan’ny fitafiany ka niraikitra tamin’ny tenany, raha ny vaovao marim-pototra azonay. Misy amin'ireo fianakaviany no te-hitsabo amin'ny alalan'ny raokandro malagasy any amin'ny mpanao ody may.
Haja Nirina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.