Naneho ny heviny mikasika ny resabe aterak’ilay filazana tamina gazety mpiseho isan’andro fa tompona tranobe iray miorina eny Ambatomirahavavy ny filohan’ny antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana, omaly,
nandritry ny lanonana fampahafantarana ilay fifanarahana parlemantera teo amin’ny Antenimierandoholona sy ny rafitra Alemanina FES. Tsy manana trano toa an’iny aho, hoy ny tenany, ary tsy manana harena ahafahana manana izany. Mandala ny fahamarinana hatrany izy, raha ny fanazavany, ary nilaza fa firifiry moa ireo andraikitra efa nolaviny satria hitany ho tsy mifanaraka amin’ny fahaizana sy traikefa ananany. Ohatra amin’izany, hoy izy, dia efa nisy fotoana aho notendrena ho minisitry ny fahasalamana saingy nandà satria tsy dokotera. Raha misy heloka ataoko, hoy ity filohan’ny antenimierandoholona ity, dia vonona hiatrika fitsarana aho, ary mino koa fa vonona hiatrika toa ahy ianareo mpanao gazety.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.