Nandeha be ny resaka ny herinandro lasa iny fa tsy salama ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, ary dia ny filoha lefitra Faritanin’i Fianarantsoa Riana Andriamandavy VII no nisolo toerana vonjimaika, nisahana ny fampandehanan-draharaha tetsy Anosikely.
Mpahazo ny olombelona ny tsy fahasalamana, tsy atao mahagaga ny amin’izany, saingy izy miseho taorian’ny namerenan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin’ny Antenimierandoholona ny andraikitra momba ny raharaha Senatera Lylison no miteraka fanehoan-kevitra samihafa, sao misy fanerena avy amin’ny HVM hanesorana an’i Lylison de Rolland tsy ho mpikambana Loholona intsony any aho any. Andraikitra hitambesatra eo an-tsorok’i Honoré Rakotomanana anefa izany, amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona raha izay no ho fanapahan-kevitra ka mety hiteraka adin-tsaina hiantraika amin’ny fahasalamany. Tsy nanatrika ny fambolena zanakazo kininina 1 000 teny Tsimahabeomby Imeritsiatosika ny zoma 17 martsa teo ny fianakaviamben’ny antenimierandoholona, tsy tazana teny ny filoha fa i Kolo Roger no nisolotena azy. Ny fahitana an’i Honoré Rakotomanana niatrika ny lanonana niarahabana ny fahalanian’ny Loholona Ahmad ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra ny sabotsy teo, tetsy amin’ny lapa maitso Anosikely anefa dia toa nandiso ny resaka niely fa tsy salama ny filohan’ny Antenimierandolohona. 88 taona moa ankehitriny Atoa Honoré Rakotomanana
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.