Actualités

Holafitry ny mpisolovava Mitaky ny fampiharana ny lalàna


  • Talata 04 Desambra 2018

Taorian`ilay raharaha fikasihan-tanana tamina mpisolovava iray tetsy Antanimena ny sabotsy lasa teo dia nanamafy hatrany ny holafitry ny mpisolovava fa tsy manaiky ary manameloka ny herisetra nahazo ny naman`izy ireo.

 

 

Na inona na inona ny anton`izao herisetra izao dia hitondra ny raharaha eny amin`ny fitsarana izy ireo. Nanao fihetsiketsehana izy ireo manerana ny nosy ka anisan`izany ny lapan`ny fitsarana tetsy Anosy. Tsy misy ambonin`ny lalàna, hoy izy ireo ary tsy ity raharaha ity ihany no hanaovana fitakiana. Nisy ny fivoriana ny tolakandro teo ka tapaka fa hijoro hiaro ny zon`ny rehetra manan-draharaha ny mpisolovava manomboka izao. Mitaky ny hampiharana ny lalàna hafa mahakasika ny fanagadrana sy ny fampiantsoana olona hohadihadiana eny anivon`ny mpitandro ny filaminana koa izy ireo.  Raha hiverenana ity raharaha tetsy Antanimena ity dia efa nipetraka teo anivon`ny BC Anosy ny fitoriana nataon`ny holafitry ny mpisolovava.  Raha ny angom-baovao voaray, voalaza koa fa ny alahady teo dia nilatsaka ny IST, tsy fahazoan`ireo voarohirohy hivoaka an`i Madagasikara. Fantatra ihany koa taorian`izay fa naiditra eny amin`ny HOMI ilay zanaka jeneraly. Andrasana ny ho tohin`ny raharaha.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT