Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,
manoloana ireo fanapahan-kevitra maromaro noraisin’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina mikasika mpanao gazety maromaro. Anisan’ny melohin’ny OJM ny fandroahana sy fanoloana mpiasa teo anivon'ny ORTM. Toy izany koa ny fanaovana fisavana tranon'ny mpanao gazety tao amin'ny televizionina tsy miankina iray sy ny fanaovana ramatahora mpanao gazety ary ny famindran-toerana na « affectation » ny sekretera jeneralin'ny holafitry ny mpanao gazety, Miary Rasolofoharijaona. Araka ny efa naverimberina matetika moa dia misy lalàna mifehy azy ny fanalana olona iray amin’ny toerany na famindran-toerana io na fandroahana fa tsy atao bontolo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.