Actualités

Holafitry ny mpanao gazety Nitsabahan’ny Fanjakana indray


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Io indray ilay fomba ratsy ! Vao miandoha dia efa maloto ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nitsabahan’ny fanjakana ny fifidianana noheverina hitondra fanovŕna.

Tsy nihambahamba ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Reboza Mahaforona Cyrille nanao fanehoan-kevitra mivantana, miendrika toromarika, tao amin’ny haino aman-jerim-panjaka andro iray nialohan’ny latsa-bato mba hampanjakana ny miralenta. Nampiany fa efa tsy nisy vehivavy ireo kandida filohan’ny Holafitra, toy izany koa ny Sekretera jeneraly ka mba tokony ho vehivavy ny mpitambola. Aoka marina e ! Voalohany aloha dia efa fanilihana mialoha ilay kandida hany andriambavilanitra nirosaka hofidiana Sekretera jeneralin’ny Holafitry ny mpanao gazety, Princie Herinah Ramanantsoavina fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Poussy, io resany io. Ny fitenenan’ny minisitra fa tokony mba ho vehivavy ny mpitambola dia fanaovana tsindry amin’ireo mpanao gazety mpiasam-panjakana, izay maro an’isa, handatsa-bato ho an’i Jocelyne Tsiava (TVM), ary fanilihana avy hatrany an’ireo kandida roalahy nifaninana tamin’ny dia i Gassard Afick (Radio Ciel Antalaha) sy Ranaivoson Heritiana Ny Anjarason (RTA). Fa tian’ny Fanjakana hatao fitaovana indray ve izany ny Holafitry ny mpanao gazety ? Raha ny vokatra nivoaka omaly dia voafidy ho Sekretera jeneraly i Miary Rasolofoarijaona (RNM) ary hiatrika ny fihodinana faharoa hiady ny toeran’ny filohan’ny Holafitra kosa i Rakotonirina Gérard (Basy Vava – Takoritsika) sy Ralambomahay Tahirimanitra (La Gazette de la Grande Ile).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT