Nanapa-kevitra ny Vaomiera Mikarakara ny Fifidianana fa mihantona aloha ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety noheverina hatao ny andron’ny 19 novambra ho avy izao manerana an’i Madagasikara
«Ho fanamafisana ny fanomanana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana», no voalaza fa antony. Hihaonana sy hifampidinika amin’ny solontenan’ny mpanao gazety eo anivon’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana tamin’ny tetezamita, Fano Rakotondrazaka ny vaomiera hamaritana ny antsipirihany amin’ny fanohizana ny fikarakarana ny fifidianana noho ny traikefa manokana ananany eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.