Actualités

Holafitry ny mpanao gazety Mihenjan-droa ny tady


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Tsy manaiky ny hanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny sabotsy 8 novambra sy ny mety mbola hampihemorana indray ny fifidianana fihodinana faharoa hamantarana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ireo mpikambana efa voafidy ahitana ny sekretera jeneraly, ny mpitam-bola, ireo filoha lefitra sy mpanolotsaina.

Tsy tokony horavana ny dingana efa vita, hoy ny fanambarana nivoaka omaly ary tsy maintsy irosoana ny fihodinana faharoa amin’ny ifidianana ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety. Mila hamarinina tsara kosa anefa ireo fitanana an-tsoratra tena izy milaza ny kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa. Tokony hitohy ary hihamafy kokoa ny fifanomezan-tanana sy fifanampiana eo amin’ny vaomiera mikarakara ny fifidianana sy Atoa Fano Rakotondrazaka izay solontenantsika mpanao gazety eo anivon’ny CENIT. Ankoatra izay dia Miantso ireo kandida 5 mpifaninana ho filoha ihany koa ity fikambanan’ny efa lany ho biraon’ny OJM ity  mba hampisehoan’izy ireo toetra mendrika amin’ny fiatrehana izao olana misy izao. Manainga azy ireo ihany koa tsy horebirebena sokajin’olona vitsy fa hiaino ny feon’ny fieritreretany, izay heverina fa nanosika azy ireo hiroso amin’ny fandraisana andraikitra. Etsy ankilan’izay anefa dia mpikambana 2 ao amin’ny komity mpikarakara ny fifidianana indray no nametra-pialana omaly dia i Théodore Ernest sy Andry Rakoto. Efa banga 3 izany amin’izao fotoana ny komity mpikarakara ny fifidianana, izay nahitana mpikambana 7 tany am-piandohana. Amin’ny ankapobeny, tsy mahatoky intsony ity komity ity ny mpanao gazety ary mitaky ny hananganana komity vaovao mihitsy mba handaminana ny raharaha. Azo heverina koa fa miteraka ahiahy ny fifidianana iray manontolo ka dia ny famerenana azy tanteraka no vahaolana, hoy ny mpanao gazety sasany. Mbola tantara mitohy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT