Manoloana ny fahamaizan`ny ny foibe fanaovan-gazety, RLM Communication, izay ahitana ny Ligne de Mire, Triatra,
La Dépêche de Madagascar, LaChasseInfo.com, 24h Mada, ary ny On Air Tv/Radio, ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy 07 janoary lasa teo dia manameloka izany fandorona orinasa fanaoavan-gazety ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Na inona na inona ny tsy fitovian-kevitra dia tokony manaja « ligne éditoriale » ny rehetra ary miantso ny tomponandraikitra hanao fanadihadiana sy famotorana mba hahafantarana ny marina, hoy ny Filohan`ny OJM, Rakotonirina Gerard. Tsy misy mahazo tombona amin`izany ary mampihemotra ny demokrasia izany, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny filazana fa ny mpanao gazety dia lasa fitaovana amin`ny fihantsiana dia nanambara ny filohan`ny OJM fa tsy tokony ho tsemboka alohan`ny mpihevoka ny mpanao gazety satria manao gazety ny asantsika, mitatitra vaovao fa tsy mipetraka mpanao fiantsiana, hany ka lasa mivaona amina asa fanaovan-gazety. Nomarihany fa maro ireo atrikasa sy fiofanana natao nialohan`ny fifidianana izay nifampizarana traikefa. Nohamafisiny fa tsy tokony ho handany sy hiantsy ny mpanao gazety ary tsy ho loharano korontana ihany koa. Manao antso an`ireo mpanao gazety, i Gerard Rakotonirina fa tokony hanaja ny etika ny tsirairay ary maka vaovao marina sy voamarina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.