Ny isavorovoroana hilatoana ! Raikitra ary tsy nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ireo komity misahana ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety fa mitohy ireo dingana rehetra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filohany
Tapaka nandritra ny fivoriamben’ireo mpikambana mandrafitra ny Vaomiera misahana ny fifidianana eran’i Madasikara ny sabotsy 22 novambra lasa teo tao amin’ny CEFOM Maibahoaka Ivato izany fa tohizana ireo dingana rehetra hamitana ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety. Tapaka ary fa ny fihodinana faharoa ihany no hirosoana ka araka ireo voka-pifidianana voamarina tamin’ireo fitanana an-tsoratra rehetra, ny kandida Hervé Rakotozanany (Radio Don Bosco) sy i Gérard Rakotonirina (Basy Vava – Takoritsika) no hiatrika izany ny sabotsy 06 desambra 2014 ho avy izao manerana ireo birao fandatsaham-bato miisa 25 eran’i Madagasikara. Ireo mpifidy voasoratra anarana miisa 1203 teo aloha ihany no mbola afaka mifidy ary tsy misy miova ny toromarika rehetra napetraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Ireo fifidianana rehetra efa vita teo aloha mikasika ny Sekretera jeneraly sy ny Mpitambola, ny filoha lefitra ary ireo mpanolotsaina isam-paritra dia tsy miverina intsony ihany koa raha ny nambaran’ireo komity misahana ny fifidianana ihany. Manana 5 andro manomboka ny datin’ny 30 novambra ka hatramin’ny 4 desambra ireo kandidà mba hanaovana fampielezan-kevitra mialoha io fifidianana io ary tapaka fa ny zoma 12 desambra no hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana, izay ny komity irery ihany no afaka mamoaka izany. Marihina fa nohatsaraina ny fomba fiasan’ity komity misahana ny fifidianana ity araka ny tantsoroka nomen’ny namana mpanao gazety Fano Rakotondrazaka, izay solontenan’ny mpanao gazety mpikambana ao amin’ny CENI-T. Nomarihin’ireo komity misahana ny fifidianana fa ireo fanamarihana maro samihafa toy ny famerenana ny fanisana ireo mpanao gazety dia anjaran’ny biraon’ny holafitra izay hipetraka eo no hisahana izany ary miato aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana ny asan’ireo komity misahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.