Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina ny ministeran’ny tontolo iainana omaly alakamisy 27 desambra entina hankatoavana ilay tatitra momba ny hoavin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.
Atrikasa efa fanao isaky ny 5 taona entina hanaovana tatitra momban’ny tranga misy sy ny antontan’isa mahakasika ny tontolo iainana. Nisy ny atotan-kevitra navoaka izay misy hevi-dehibe 15 nanazavana ny votoatiny alohan’ny hankatovana sy ny hanaparitahana azy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny eto Madagasikara. Ireo Antontan-kevitra ireo no entina handraisana fanapahan-kevitra ho an’ny tompon’andraikitra sy ireo manam-pahaizana amin’ny tontolo iainana isan-tsokajiny. Anisan’ny voaresaka tao ohatra ny fifamatoran’ny toekarena sy ny tontolo iainana, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny toetry ny tany sy ny ranomasina ary ireo karazam-pako misy eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2012 no nisy tatitra farany ka antony nanaovan’ny ministeran’ny tontolo iainana izao ezaka izao mha hitarafana ny fiatraikan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana amin’ny toekarena. Ny mampiavaka ity tatitra ity ihany koa dia tena fanandratana tanteraka ny maha izy azy ny faritra tsirairay izay hiaingan’ny famakafakana sy ny asa ary ny fandraisan’andraikitra avy hatrany entina hitsinjovana sy hikajiana ary hikoloana ny tontolo iainana mba hananan’ny taranaka fara-mandimby tombony sy ho avy mamiratra ny amin’io sehatra izay efa tena mihapotika isan’andro io.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.