Actualités

Ho vita ny Rovan’Antananarivo Ary ahoana ilay satroboninahitra very ?


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Hovitaina mialoha ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoana fahaleovantena ny 26 jona 2020 ny Rovan’Antananarivo,

 

 

 

izay anisan’ny vakoka manan-tantara, raha ny tenin’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Vakoka sokajiana ho lehibe indrindra sy manan-danja amin’i Madagasikara io, ary efa voaarina hatry ny ela raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Efa nanarina an’io ny fitondrana Ravalomanana, ary famaranana ny asa sisa no tohizan’ny fanjakana ankehitriny. Fa rehefa miresaka Rova sy vakoka izay ihany, dia fanamarihan’ny mpanara-baovao ny hoe : nahoana no tsy sahy nangataka ny fanampian’ny Frantsay momba ny famerenana ny satroboninahitry ny mpanjaka ny filoha ankehitriny ? Tamin’ny andron’ny tetezamita no nahavery azy io ary efa nisy resaka nandeha fa any Parisy Frantsa. Nilaza ny hanokatra fanadihadiana momba io ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny kolontsaina Johasy Eleonore taty amin’ny taona 2018 noho io resaka io saingy tsy nisy vokany hatreto. Tena tsy hain’i Andry Rajoelina sy ny ekipany izay nanao fihetsika mpanjaka tamin’ny tetezamita tokoa ve ny momba iny vakoka nanjavona iny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT