Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.
Nihoso-potaka hatramin’ny raiamandreny teny Ankadimanga omaly mba hanehoany fa zava-dehibe aminy sy ny fianakaviany ary ireo mponina amin'ny kaominina efatra voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro ny fisian'ireo tanimbary izay kasain'ny fanjakana hototofana. Voalaza fa hidina teny Anosivita sy Fiombonana ny solontenam-panjakana hanao tombana sy hijery ny fomba hanatanterahany ny tetikasa ka efa nivonona ny haneho ny fanoherany amin’ny fomba rehetra izany ny vahoaka. Tsy tonga moa ireo nandrasana. Miezaka mandresy lahatra sy milaza ho maka ny hevitry ny mponina ny mpitondra, saingy efa mazava sy miharihary ny heviny, raha dinihina amin’ny fanoherana nisy hatramin’izay. Toa terena an-kolaka hanaiky ! Efa nitranga ny fifandonana, ary vao tsy ela no niteraka famoizana ain’olona noho ny fihetseham-po tamin’ny fahatongavan’ny olom-panjakana. 887 ireo olona efa nakana hevitra tetsy amin’ilay Birao iraisana tetsy amin’ny Village Voara, 636 no tompon-tany. 80 monja tamin’ireo anefa no nanaiky. Somary novoizin’ny fanjakana vao tsy ela ny fanadihadian’ny FES (Friedrich Ebert Stiftung) naneho fa ny 81% tamin’ny olona 2516 nanaovany fanadihadiana no mankasitraka ny tetikasa Tanà-masoandro, ka nilazan’ny mpitondra fa tsy fitiavana an'Antananarivo ary fanohizana ny fanimbana azy ny tsy fanaovana io tetikasa io. Heverina fa olona eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny, fa tsy ny hoe : mponina mivantana voakasiky ny fanotorana tany sy tanimbary. Lojika ny fankatoavana hoe ilay ny fananganan-javatra fa ny adihevitra dia ny hoe tsy maintsy manototra tanim-bahoaka ve ? Tena ny Tanà-masoandro ve no laharam-pahamehana sy maika indrindra raha dinihina amin’ny olana mianjady ny vahoaka sy ny firenena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.