Mba hahafahana mampandroso an’i Fianarantsoa iray manontolo dia tafatsangana ny Vovonan’Imady taorian’ny nananganana ny komity vonjy maika? dinika nifanaovana tamin’ny solontena avy any amin’ny faritra, an-tanana, ny fikambanana ary olon-tsotra..
.Hivoy ny maha “Imady 200, tsinaim-balala tokana, sarahina iray, apetraka iray” no tanjona amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpikambana izay efa misy fikambanana mihoatra ny 100 amin’izao haneho ny firaisan-kina sy ny fifanampiana misy eo amin’izy ireo. Toraka izany koa ny fananana rafitra iray miahy sy mandrindra ireo fikambanana efa misy na mbola ho avy ka mba ho vovonana iray hiadian’ny lohany tokoa izy rehetra. Farany izay tsy kely akory dia ho fiarovana ny tombontsoa sy ho fampandrosoana ny faritra Imady sy ireo mpila ravinahitra rehetra manerana ny Nosy. Vokatra andrasan’izy ireo moa ny fanamafisana orina ny fikambanana rehetra efa misy, arahin’ny fifankahalanana eo amin’izy rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.