Nisy ny fivoriana manokana nandinihana ny delestazy sy ny olan’ny orinasa Jirama notanterahana ny sabotsy 27 septambra lasa teo. Taorian’izay no nivoahan’ny fanapahan-kevitra fa ampitomboina ny solika omena ny jirama ary dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo kaompania mpivarotra solika.
Somary nahagaga ihany io fanapahan-kevitra io satria raha tonga avy any ivelany ny filoham-pirenena dia nilaza fa mihoatra ny tokony ho izy ny solika lanin’ny Jirama, izany hoe betsaka loatra, raha tokony ho 6000 m³ dia niakatra tampoka ho 9000 m³. Izao anefa dia lazaina fa hoe ampitomboina indray ny solika omena ity orinasa ity amin’izay mba manomboka mihena miandalana ny delestazy, hoy ny tale jeneralin’ny OMH Adrianarahinjaka Harivelo, omaly. Amin’ny maha orinasa bokan-trosa ny Jirama dia hanampy azy amin’ny fandoavana ny vidin’ny solika manomboka izao ny tahirim-bolam-panjakana (Trésor). Tsara ho fantatra fa manodidina ny 2 miliara ariary, ny vidin’ny gazoala famatsiana ny foibe mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo tamin’ny 24 septambra 2014 teo. Ahitana motera mpanodina herinaratra miisa 4 izay mandany solika 1000 litatra isan’ora anefa ny iray amin’ity toby mpamokatra herinaratra ity.
Nampandeferina ny any amin’ny faritra
Fa na dia efa roa herinandro aza no niha mafy ny delestazy dia omaly vao mba nandrenesam-peo kely ny minisitry ny angovo Fienena Richard, izay nanamafy fa ampitomboina ny fatran-tsolika omena ny Jirama, ka ny Jovenna hanome 1000 m³ , ny Total hanome 800 m³ ary ny Galana hanlotra solika 300 m³.Tokony efa hampihena ny delestazy eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina io solika fanampiny 2100 m³, nambaran’ingahy minisitra kosa anefa fa mbola miandry kely aloha ny any amin’ny faritra. Fanambarana izay tena nanaitra satria efa tena ela mialohan’Antananarivo no nijaly tamin’ny delestazy ny tany Toamasina, Mahajanga, Manakara, Ambatondrazaka kanefa dia izao mbola sahin’ny fanjakana ampiadrasina izao ihany. Maro ny zavatra manjavozavo momba ity delestazy ity sy ny famokarana herinaratra amin’ny ankapobeny ataon’ny Jirama.
Bizna avo lenta ?
Mandeha ny feo fa misy politika sy bizna avo lenta ao ambadik’izy io, ary mety ho noho izany no nampangiana ny minisitry ny angovo Fienena Richard, izay azo antoka fa mahafantatra zavatra maro. Efa tsy takona afenina intsony mantsy fa misy ireo kaompania vahiny maniry mafy hividy ny Jirama, misy koa ireo orinasa mivarotra na mampanofa milina mpamokatra herinaratra mahazo aina amin’nyfisian’ny delestazy.Tena sarotra vahana atahaka ny krizy politika eto amintsika ny olan’ny Jirama, ary ny mampatahotra aminy dia ny siosion-dresaka fa misy olona ambony eto amin’ny firenena mahazo tombontsoa amin’izao fahoriam-bahoaka noho ny delestazy izao.Ka raha izany no izy dia tsy ny fampitomboana ny solika omena ny Jirama mihitsy anie izany no hamaha ny olan’ny delestazy e ! Fa ny fanadiovana tanteraka ny resaka fitantanana, ny fahasahian’ny fanjakana Malaagasy mijoro miaro ny Jirama ary ny fananana politikan’ny angovo matotra azo tanterahana amin’ny fohy sy antenantenany ary lavitr’ezaka.Tahaka ny hoe serasera namonoan’afo sy nampitoniana ny sain’ny vahoaka fotsiny no nataon’ny fitondram-panjakana momba ity delestazy ity fa tsy misy ny vahaolana tena matotra, ho porofon’izany dia tsy niresaka na dia fehezanteny tokana momba ny delestazy akory ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.