Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity ankehitriny.
Ankoatra ny olan’ny solika sy ny fahanteran’ny milina dia mitaky an-kolaka amin’ny fampiharan’ny fanjakana ny fanafoanana ny fanampiana ny orinasa Jirama ny Banky Iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao. Nohamafisin-dRtoa Coralie Gevers, mpandrindra ny asan’ny banky Iraisam-pirenena eto amintsika ny faran’ny herinandro teo fa tokony hajanona io satria tsy misy afa tsy 15% no mampiasa herinaratra amin’izao fotoana. Iankinan’ny toekarena amin’ny alalan’ny indostria anefa io resaka angovo ary efa tena mampikaikaika ny olana sy ny sarany saingy izao kendrena hofoanana izao indray ny fanampian’ny fanjakana. Vao mainka hihamafy ny olana efa misy ka mety ho any amin’ny fanenana ny fandefasana ny herinaratra no hany vahaolana na ny fivarotana ity orinasam-panjakana ity hotantanan’ny sehatra tsy miankina, raha tena hampiharina ny fepetra apetraky ny Banky Iraisam-pirenena. Vao mainka hitombo izany ny vesatry ny vahoaka raha ho tanteraka tokoa izay fanomezana azy ny sehatra tsy miankina izay. Afaka manao ny sarany tiany hapetraka ny orinasa tsy miankina ary tsy maintsy hikendry ny tombombarotra ka any amin’ny vahoaka no hangalana izany. Efa mihodina ao anaty fantiantoka ny orinasa kanefa tsy zakan’ny vahoaka ny saran’ny angovo na dia eo aza ny fanampian’ny fanjakana, mainka fa mbola ho lasan’ny sehatra tsy miankina. Anisan’ny tena mampitombo ny olan’ny Jirama ny tsy fandoavan-trosan’ny fanjakana voalaza fa ananan’ny orinasa 527 miliara Ar amin’izao fotoana izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.