Actualités

HIPOAKA NY VANJA


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Navoaka ihany fa raràna tsy hiteny ? Izany indray no hoe fepetra ho azy ireny ? Hay mataho-dava foana izato ianao, Na dia mitonona ho hery vaovao ?

Fanampenam-bava ireo `zay atahorana ?

Raha hahitsy sy lazaina am-pahatsorana !

Izany ve no vahaolana hotohanana,

Sady lalana mankamin`ny fampihavanana ?



Moa izany ve no atao hoe fahalalahana ?

`Lay fitiavan`ny mpitondra mba hibahana ?

`Lay  `nareo arovan-dava tsy hokianiny ,

K`izay miteny dia gadraina,  ilàna vaniny ?



Tsia ry hery vaovao mpivadi-dela.

Ny olo-marina , efa tofoka hatry ny ela.

Kely sisa irony vanja dia hipoaka.

Mandiniha fa efa aloan`ny vahoaka.

   
SEDERA  RAVALISON (26-12-14)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

Hijery ny tohiny
FTT