Manindraindra ny fanatanterahana ny fanapariaham-pahefana ny fitondrana nefa tsy mitana ny teniny.
Nanao fanamarihana ny Sefafi tamin’ny fanambarana nataony ny 17 desambra fa maro ny kaominina tsy mbola nahazo manontolo ny famatsiana ara-bola hoenti-miasa efa noferan’ny lalànan’ny tetibola 2016 sy ny lalànan’ny tetibola efa nahitsy. Fampanantenana fotsiny no mba ataon’ny Fanjakana fa handrotsaka vola ho fampandrosoana ny faritra mitentina 200 tapitrisa Ariary ho an’ny distrika tsirairay ankehitriny, hoy hatrany ny fanambarana. Amin’izay indray dia ifandroritan’ny solombavambahoaka sy ny lehiben’ny distrika ny amin’ny fifehezana ny fitantanana ny vola. Ny hany azon’ny kaominina atao dia ny manolotra tetikasa lazaina fa lohalaharana any amin’ny CLD (komitim-paritra ho an’ny fampandrosoana) natsangana isaky ny distrika noho io toe-javatra io. Satria tsy mbola tafapetraka ny Faritra dia ny sefo distrika notendrena no hanapa-kevitra ny amin’ny hampiasana ny vola fanampiana ny kaominina, miaraka amin’ny solombavambahoaka. Ankoatra izay dia nanaovan’ny Sefafi fanamarihana ihany koa fa takian’ny lalàna ny hanavaozana ny tompon’andraikitry ny fokontany isaky ny vita ny fifidianana kaominaly, saingy tsy mbola nisy vita izany, efa ho roa taona sy tapany izay. Ny loza aza dia niasa jamba rafozana tsy nahazo ny tambin-karama akoryireo sefom-pokontany izay nanohy foana nanatontosa ny adidiny, nefa vola kely dia kely izy io, ary manahirana ny fanjakana ny mandoa azy ara-potoana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.