Actualités

Hiary Rapanoelina Voaheloka 1 taona an-tranomaizina


  • Alarobia 08 Martsa 2017

Nivoaka omaly 7 martsa ny didim-pitsarana an’i Hiary Rapanoelina, ka sazy mihatra herintaona an-tranomaizina no azon’ity mpanakanto no azony.

 Afaka noho ny fisalasalana kosa ny vadiny, izay niara-voarohirohy taminy tamin’izao raharaha izao.. Raha haravona ny ny votoatin’ny fitsarana omaly, dia afaka madiodio ny tenany tamin’ilay resaka fosafosa. Vesatra hiampangana azy ny nahavoasariongotra azy tamin’ilay resaka fakana an-keriny ny zanaky ny solombavambahoaka Jaona Elite, ary io no nahazoany izao sazy izao. Ny fampiakarana ny raharaha sy ny fangatahana fandravana didy sisa no hany mety ho vahaolana ho azy. Ny lalàna mihitsy no efa nanenjika sy nandetika azy, ka nahatonga izao saziny izao. Tsy misy lanjany manoloana ny lalàna rahateo ny mety hisian’ny fifamelana sy ny fifonana satria na eo aza ny mety hitranga aza izany eo amin’ny olona roa na vondron’olona roa mifanolana, dia tsy azo hikipiana ny lalàna famaizana, saingy maro ny Malagasy tsy mahalala izany. Ny lalàna dia mihatra foana, ka mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana sy hisorohana ny fandikan-dalàna dia tsy tokony ho zatra amin’ny hoe raharaham-pihavanana isika fa tokony hitandrina foana. Tsy misy antony ilàna ny lalàna intsony raha vao izay no masahana sy hatao fomba fiaina eo amin’ny fiarahamonina. Mbola olana eto amintsika ihany koa ny resaka tombo sy hala amin’ny fampiharana ny lalàna. Rehefa olona manana toerana ambony na akaiky ny mpitondra, dia toa afaka manao izay tiany hatao. Porofo iray mivaingana amin’izany ny momba ilay mpanao politika iray antsoina hoe R.A, mpandrindra ny vondrona iray efa tena malaza ao amin’ny fesiboky. Fanalam-baraka sy teny tsy fampiseho masoandro maro no efa niseho saingy tsy mba nokitihina sy noresahina akory ny momba azy satria voalaza fa mpanaohana mahafatra-po ny fanjakana HVM. Fa natao ho an’iza ny lalàna eto amintsika?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT