Actualités

Hetsiky ny mpanao gazety Izao vao tena ho mafy


  • Alarobia 28 Septambra 2016

Tsy niandry ela ny mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Hetsika ho fanalalahana maneho hevitra.

 Taorian’ny fanambaran’ny minisitry ny serasera Andrianjato Vonison tany Toamasina ny alatsinainy 26 septambra lasa teo fa efa mihatra ny lalàna mifehy ny serasera dia nisy ny fivoriana maika natao teny amin’ny Villa Pradon Antanimena mba handraisana fepetra manoloana izany. Zavatra roa no ventin-dresaka dia ny fangatahana ny fanehoan-kevitra ampahibemason’ny Filoham-pirenena amin’ny maha efa mihatra ilay lalàna. Tapaka ihany koa fa hanohitra amin’ny fomba rehetra ny fampiharana io lalàna io ny Hetsika ho fanalalahana maneho hevitra ka hisy ny fihetsiketsehana goavana hatao. Mbola eo am-pandinihana ny fotoana sy ny fomba hanatanterahana azy kosa izy ireo. Mitohy anefa ny hetsika fanangonan-tsonia, indrindra fa ny any amin’ny faritany izay mbola ao anatiny tanteraka.

LALANA TSY HO AN’NY REHETRA

Tsy voakitikitika amin’ity lalàna mifehy ny serasera ity ireo haino aman-jery manana firehan-kevitra manohana ny fitondrana. Maro mantsy no mahita ankehitriny fa tsy mifidy vaovao avoaka ny sasany izay tena samy mivohy fihantsiana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana mihitsy. Nanamarika izany ny vaovao navoakan’ny gazety iray omaly talata amin’ny fanondroana ny fivondronamben’ny Eveka hanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hoe : “Fivondronamben’ny Eveka, hanongam-panjakana ?”. Toa mitory fihantsiana sy fandranitana ilay izy saingy inoan’ny mpanara-baovao fa tsy hisy fanapahan-kevitra horaisina toy ny sazy satria an’ny mpitondra.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT