Actualités

Hetsiky ny mpanao gazety Hihetsika amin’ny fivorian’ny Frankôfônia


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Nanao fanambarana goavana tetsy Antanimena indray omaly ny avy eo anivon’ny hetsiky ny mpanao gazety mivondrona ho an’ny fahalalahana na ny MLE.

Manoloana ireo hetsika efa vita izay tsy nohenoin’ny fitondram-panjakana, hoy izy ireo, dia hitohy ny tolona. Hisy ny hetsika goavana hotontosaina mandritry ny fihaonamben’ny frankofonia hatao eto amintsika afaka andro vitsy. Mbola hisy ihany koa ny fanambarana hafa ankoatr’izao ary dia hitohy ny famoahana ireo dosie goavana izay efa natomboka mikasika ireo tsy fetezan-javatra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny tanjona, hoy ny fanambarana, dia ny hanehoana eo imason’izao tontolo izao ny kitoatoa ataon’ny fitondrana ankehitriny. Nanamafy ny fanamelohan’izy ireo ny fikasihan-tanana nataon’ireo mpitandro ny filaminana sasany tamin’ireo mpanao gazety namana hatramin’izay moa ny MLE ary manameloka ihany koa ny fitsaram-bahoaka misy ankehitriny.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT