Isan-taona dia tsy maintsy olana mitoetra foana ny mikasika ny tambin-karaman’ireo mpampianatra sy mpanabe manerana ny nosy.
Na ho an’ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra io, fa ny tena mahagaga dia misedra izany hatrany ihany koa ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana. Isan’ny mbola mahavalalanina foana ihany koa ny hoe zavatra mitovy, toy ny tambin-karama, fandraisana ny FRAM ho mpiasam-panjakana, vatsim-pampianarana, sy ny sisa, foana no anton’ireo hetsika.
Efa ho an’etsiny
Efa an’anarivony maro ary mananika an’etsiny mihitsy raha atambatambatra ny isan’ireo olombelona ao anatin’ireo sokajina mpampianatra voalaza teo ireo kanefa hatramin’izao dia mbola manaiky lembenana hatrany manoloana ny tsy firaharahiana nasehon’ny fitondram-panjakana nifanesy tamin’izy ireo. Somary manahirana hatrany ny maka sary an-tsaina hoe olombelona manana mari-pahaizana bacc + 15 kanefa dia manaiky hampifilafilaina olombelona manana mari-pahaizana bacc+ 4 na 5. Amin’io dia mbola hanirahan’izy ireo andian’olona mety tsy manana bacc akory hifehy ny hetsik’izy ireo. Ny tiana hiaviana dia ny hoe tsy mba afaka manova stratejia noho izay fanao isan-taona foana ve dia ny fikomiana sy fanaovana sorona ny mpianatra lava izao mba hahazoana amin’ny ampahany izay notakiana. Inona no sakana tsy hitadiavana paikady mahomby hahafahana manery ny fitondrana hamaly feno ny fitakiana atao?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.