Nivoaka ny didy sy ny fampilazana avy amin’ny préfet de police-n’Antananarivo Renivohitra Rafidison Fidèle omaly,
taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny OMC (Organisme mixte de conception) ahitana ny prefektiora, ny kaominina ary ny mpitandro ny filaminana fa tsy azo hanaovana hetsika fitakiana indray ny etsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo na dia efa nosokafan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra aza. Antony raha araka ny tafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety omaly dia misy andian’olona mikasa hanakorontana eny an-toerana ny andron’io alahady 1 mey io. Nambaran’ny solontenan’ny kaominina nandritra izany fa mba ho fitandroana ny tombontsoa ambonin’ny firenena no antony nandraisana ny fanapahan-kevitra. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa tsy nofoanana tanteraka akory ny hetsika fa nafindra eny amin’ny kianjan’Alarobia. Hatramin’ny omaly, araka ny fanazavana azo dia roa ireo nangataka alalana mba hanatanteraka izany ka efa nahazo soa aman-tsara dia ny SEKRIMA sy ny Afo Sendikaly. Ho an’ity farany manokana dia mbola tsy fantatra izay toerana hanaovany ny hetsika, raha hiainga eny amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano kosa ary hipaka hatreny Alarobia ny an’ny SEKRIMA. Filaharambe no hataony amin’izany, ka ny antsasaky ny arabe ihany no nahazoany alalana fa hampiasain’ny fiara ny antsasany. Ho an’ireo mikasa ny hanao fihetsiketsehana kosa, nefa tsy nahazo alalana, dia mampitandrina azy ireo sahady ny mpitandro ny filaminana, tarihin’ny jeneraly Rakotomahanina Florens.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.