Efa ho enim-bolana izao ny olan’ny mpano gazety sy ny mpitondra manoloana ny amboletra nataon’ny fanjakana ka nampandaniana ny lalŕna mifehy ny serasera tamin’ny fomba tsy dia ara-dalŕna loatra.
Raha tsiahivina, solombavambahoaka 18 tamin’ny 151 no nandany ilay lalàna ary baiko midina avy amin’ny mpitondra no naneken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena azy. Hisy ny taratasy halefan’ny hetsika ho fanalalahana ny fanehoan-kevitra (MLE) any amin’ireo delegasionina vahiny miatrika ny frankofonia, hampahafantarana azy ireo ny fisian’ny jadona eto Madagakara, raha ny tapaka nandritra ny fivoriana teny Antanimena omaly. Eo ihany koa ireo raharaha maizina rehetra eto amin’ny firenena toy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Tsy hijanona eo ihany fa hisy ny hetsika hotanterahina eny amin’ny sampanana mihazo an’Ambohitrimanjaka sy ny tanànan’ny Frankofonia ny sabotsy maraina amin’ny 8 ora sy sasany. Hifampitantana eny ny mpanao gazety sy ireo olom-pirenena maro haneho hevitra sy hampiseho amin’ny vahiny fa fanjakana mpanao didy jadona no misy eto, ka tsy mba misy eto Madagasikara izany demokrasiza izany. Tsy hay na hamela malalaka ny hetsika ny mpitondra ka hiseho ny marina na hosakanana hatrany ary mety hiafara amin’ny herisetra sy ny fisamborana ireo mpitarika ny raharaha.
Mpamahan-dalitra ny filoha
Maro ny mpanao gazety mandiso ny filazan’ny filoha fa efa nisy ny fifampidinihana nialoha ny fotoana nampananan-kery iny lalàna iny. Toa laingain’ny filoha ireo mpanao gazety vahiny mivondrona ao amin’ny UPF (Mpanao gazety Frankofonina), kanefa ny UPF dia efa nanambara fa tokony hisy ny famerenana ny fifampidinihana. I Soava Andrimarotafika, ohatra, dia tsy nisalasala niteny fa famahanan-dalitra sy filazana lainga ny filazan'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fanokafana ny fivorian'ny mpanao gazety frankofonina (UPF) tany Antsirabe afakomaly fa niaraha-nidinika tamin'ny mpanao gazety ny lalàna mifehy ny serasera. Takiana hatramin’ny farany, araka izany, ny famerenana ny fandinihana ny rijantenin-dalàna momba ny serasera.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.