Hiditra amin’ny andiany faha-27 ny hetsika ara-javakanto « Madajazzcar » izay tena mahasintona mpanakanto mpiangaly ny mozika « jazz « eto amintsika sy avy any ivelany
. Hatao ny 1-14 oktobra ho avy izao izany ary ahitana mpandray anjara miisa 100 ka ny 40 no avy eto Madagasikara ary avy any ivelany avokoa ny ambiny. Araka izany dia firenena maro no hanana mpandray anjara toa an’i Suise, Allemagne, France, Norvège, Afrique du Sud ... Hanamarika ity hetsika ity ny fifanakalozana ara-traikefa eo amin’ireo mpandray anjara. Miara-miombon’antoka amin’ny mpikarakara ny fandraisana ny Fivorian’ny Frankofonia ny mpikarakara ny amin’ity andiany ity. Mba hahamatihanina tanteraka ny hetsika dia miara-miasa amin’ireo foibe ara-kolontsaina sy mpiara-miombon’antoka maro toy ny IFM, CGM, Alliance Française, Oniversiten’Antananarivo ny mpanomana ny hetsika. Fotoana izany sisa andrasana dia hangotraka indray ny « Festival Madajazzcar » amin’ity taona ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.