Ny foibe FJKM tamin'ny fiandohan'ity volana novambra ity dia nikarakara hetsika toy ireny varotra fampirantiana ireny fa somary mivelatra kokoa nantsoina hoe "HAONA FI" ka tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka no nanaovana izany nandritra ny telo andro : 1-2-3 novambra.
Koa satria moa ny CNaPS sy ny FJKM dia efa nanao fifaraham-piaraha-miasa koa dia nandray anjara mavitrika tamin’ny « HAONA FI » ny Tahirim-pirenenata min’ny alalan’ny tranoheva. Nandritra ny telo andro dia niezaka nanome fahafaham-po ireo mpitsidika ny tranohevany ny CNaPS mikasika izay olana manokana mba hafahan’izy ireo misitraka ny zony. « Fahafahana maka ny teny miafina, fahafahana mijery mivantana ny kaonty, fanaterana ny antontan-taratasy samihafa, fampahafantarana ny tolotra rehetra omen’ny CNaPS ary torohevitra mahasoa : ireo no asa fikarakarana nataonay ho an’ireo tonga nitsidika ny tranoheva», hoy Ramatoa Randriamasimanana Nivo Sahondra lehiben’ny sampandraharahan’ny serasera eo anivon’ny CNaPS foibe. Maro ireo Tranoheva hita teny Andohatapenaka fa anisan'ny be mpitsidika ny CNaPS satria« ankotran'ny tsikitsiky fandraisana dia nazava tamiko daholo ny mikasika ny CNaPS ary teto aza dia azoko nojerena teo noho eo ka ny fizotran'ny latsakemboko sy ny nataon'ny mpampiasa ahy tamin'izay fotoana rehetra niasako izay; ary mandrisika foana ny CNaPS foibe hanohy izao hetsika fanatonana ny vahoaka izao fa tena ilaina izao »hoy Randrianarivelo Soloheritiana,mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina iray sady efa mpikambana CNaPS.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.