Nisy ny atrikasa izay nokarakarain’ny avy eo anivon’ny hetsika gasy jiaby tetsy Antaninarenina, io omaly io, mba hakana ny hevitr’ireo mpanao gazety mikasika ny tolona tokony ho atao hamongorana ny tsy fananana taratasy maha olom-pirenena eto amintsika.
Araka ny fanazavana dia sarotra ny mahazo antontan’isa marina mikasika izay resaka tsy fananana taratasy izay na koa ny antsoina hoe tsy fananan-tsata eto amin’ny firenena. Maro anefa ireo olona iharan’izay trangana tsy fananan-tsata izay nohon’ny antony maro samihafa, raha ny fanazavana, ohatra amin’izany ny tsy fisiana anarana firenena mihitsy ao amin’ny anaran’ilay lasibatra, ao koa ireo izay lazain’ny tomponandraiki-panjakana misahana izany fa tsy manana tarehy na fihodirana avy ao amin’ilay firenena. Isan’ny ahitana izany tranga izany eto amintsika ary dia ny fanovana ny fehezan-dalàna mikasika izay olana eo amin’ny tsy fampananan-taratasy izay no isan’ny vahaolana fototra heverin’ity hetsika ity fa laharam-pahamehana hahafahana mamongotra izay tsy fananana taratasy izay eto.
Mirija
Sary: Njaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.