Tamin’ny taona 1968 ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa CNIA (Compagnie Nosybéene d'Industrie Agricole) no nanapa-kevitra fa hamerina amin’ny Fanjakana ny tany nampiasainy. 48 taona aty aoriana, misitraka tanteraka io tany io ny mponina ao anatin’ny Distrika Ambanja. 5 Ar ny metatra toradroa nanomezana azy ireo ny tany, raha 80 Ar ka hatramin’ny 500 Ar izany amin’ny ankapobeny. Nisy ny hetsika fizarana titra faobe notanterahina nanomboka tamin’ny 22 septambra 2016. Fianakaviana tantsaha miisa 150 avy ao amin’ny Kaominina Maevatanàna, Ambohitrandriana, Bemaneviky Haut Sambirano ary Marotolàna no nomena titra, hizakana tanteraka ny tany. Tonga tany Ambanja nanolotra azy ireo ny titra ny minisitry ny fanajariana ny tany Rafidimanana Narson, ny zoma.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.