Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy na ny “Programme pour la promotion de la protection sociale” (PPPS) no hanaovan’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na CNaPS,
tarihin-dRamatoa Tsaboto Joslina Tale jeneraly mpisolo toerana ezaka mba ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny fiahiana ara-tsosialy. Misy ny hetsika isaky ny renivohi-paritany hivoizana ny hoe : “Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra, ho an’ny rehetra”. Naharitra roa andro ny tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny 25 sy 26 aprily lasa teo. Tanjona ny hampitombo sy hanitatra ny olona sahanin’ny CNaPS amin’ny resaka ara-pahasalamana, ny fisotroan-dronono, ny fanampiana ny fianakaviana sy ny loza vokatry ny asa. Ity farany izay tena mbola ambany tokoa ny tahan’ny olona misitraka izany. Ny 80%-n’ny olona nanatrika ny hetsika no izay vao nahafantatra ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy. Nisongadina ny CNaPS mitety vohitra na ny “Guichet Forain”. I Mahaboboka, Sakaraha, Toliara II, Ankililoaka,… no anisan’ny nanaovana ny hetsika. Nametrahana tranoheva miisa fito manakaiky vahoaka tao an-tampon-tanànan’i Toliara, dia i Andabizy, Bazary Sanfily, Tsena fia tao Mahavatse II, Bazary Sacama, Ankilisoafilira, manoloana ny Lisea Laurent Botokeky, Ambatonomby Kamoa ary tany amin’ny kaominina Tsingobory. Teo no ho eo ireo mpiasan’ny CNaPS dia nanolotra vahaolana ho an’ireo manana olana noho ny fiahiana ara-tsosialy. Orinasa miisa valo (08) no nahazo tohana ara-kevitra. Nampahatsiahivina fa 15 andro aorian’ny fisokafan’ny orinasa dia tsy maintsy ampidirina mpikambana CNaPS ny mpiasa. Ankizy kilasy taona faha-4 sy faha-5 miisa 48 avy ao amin’ny EPP Godwin’s Mahatsereke ao Tanambao I no niditra ho mpikambana vaovaon’ny Klioba CNaPS Zandriolona. Nisy koa ny fanentanana momba ny fahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana na SST (Santé Sécurité au Travail). Orinasa 4 no notsidihan’ny CNaPS, dia ny COMATO, SEMSToliara, ENELEC ary ny Murex International.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.