Hiakatra Fitsarana etsy Anosy anio alatsinainy 26 septambra 2016 i Robson Pierre sy Andrianony Tsihoarana, mpitarika ny hetsi-panoherana ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina.
Nosamborina ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpitaritolona ireo, taorian’ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka teny an-toerana ny talata 20 septambra 2016. Tapaka nandritra ny ora roa ny lalam-pirenena voalohany nandritra io hetsika io. Tsy nanaiky lembenana ny mpanao fihetsiketsehana na nampiasa hery aza ny Emmo-reg sy nanaparitaka azy ireo tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Andrasana ny vokatry ny Fitsarana anio. Nitaky ny hamoahana azy roalahy ireo tsy misy hatak’andro i Hajo Andrianainarivelo, nandritra ny hetsiky MMF (Malagasy Mivondrona ho an’ny Fanorenana ifotony) teny Andrefanambohijanahary ny sabotsy teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.