Actualités

Hery Rajaonarimampianina Nanangana televiziona ho azy ?


  • Zoma 21 Novambra 2014

Misy fahitalavitra manao andrana teknika eto an-drenivohitra tato ho ato. Miainga etsy Antanimena izy io rehefa natao ny fanadihadiana

. Misy loharanom-baovao milaza fa fananan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina io fahitalavitra vaovao io. Tsy misy maharatsy izany. Zony tanteraka ny hanana fahitalavitra. Raha azy tokoa io fahitalavitra vaovao io, oviana no nanomezana azy ny fahazoan-dalana sa noho izy lehiben’ny andrimpanjakana ve dia omena tombon-dahiny ? Mbola nanamafy mantsy ny teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana fa tsy nisy famoahana fahazoan-dalana vaovao hahazoana manokatra haino aman-jery intsony taorian’ny 2009. Nisy rahateo haino aman-jery manodidina ny 80 efa nomena fahazoan-dalana manokana, no nakatona nandritra ny tetezamita ary tsy nisokatra mandraka ankehitriny ka maninona no asiana mizana tsindrian’ila. Tafiditra amin’ny fanarenana ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika hanatsaratsarana endrika ny filoha sy hanasongadinana ny asany ve no nananganana io fahitalavitra io, ho fanampin’ny niantsoana vonjy tamina manampahaizana amerikanina momba ny serasera sa efa fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ? Eo isika mahita izy !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT