Actualités

Hery Rajaonarimampianina Manao pi-maso amin’ny Kaominina Ivato sy Talatamaty


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Antomotra ny Frankôfônia. Manahy ny fahadiovan’ny tanŕna holalovan’ireo vahiny handray anjara amin’io fihaonambe andiany faha-16 hatao ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016 io ny


Fiadidiana ny Repoblika ka nihazakazaka nanome kamiao mangabe iray avy ny Kaominina Ivato sy Talatamaty hanafainganana ny fanadiovana ny tanàna. Sahirana amin’ny fandraofana ny fako sy fitaterana kojakoja fanatsarana ny tanàna rahateo ireo Kaominina ireo. Notanterahina teny amin’ny lapan’Iavoloha ny fanolorana ireo kamiao ireo omaly. "Hanampy anareo amin’ny fanatsarana ny tanàna no anton’izao", hoy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, indrindra fa vavahadin’i Madagasikara ny faritra iadidianareo. Nampirisika ireo Ben’ny tanàna koa izy mba hanentana ny mponina amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina na amin’ny fanadiovana na amin’ny fambolena sy fikolokoloana ireo zaridaina satria singa iray eo amin’ny fampandrosoana koa ny fihatsaran’ny tontolo iainana andavanandro. Nilaza ny Ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy fa tsy hikely soroka amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna. Ary tsy ho amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny Frankôfônia ihany fa mitohy hatrany ny asa fanasoavana ny tanàna araka ny toky efa nomena ny vahoaka izay nandany azy.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT