Any New York-Etazonia miatrika ny fivoriambe faha-71 an’ny Firenena Mikambana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao.
Ny minisitry ny raharaham-bahiny dia efa mahasolo tena an’i Madagasikara saingy miady sisika hatrany ny filoha. Mba nanantena ny hiresahana ny momba ireo nosy bodoin’ny Frantsay ny mpanara-baovao saingy niaraha-naheno ny fanemorana izany ho amin’ny fivoriambe andiany faha-72. An-taonany maro ny fitakiana ary ny filoham-pirenena no tokony ho lohalaharana, izy indray anefa no mamono afo raha dinihina amin’ny fanehoan-keviny mikasika izany. Raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany dia anio ny filoha no hikabary manoloana ny fivoriambe ary ho hita eo izay hambarany. Ny mampiavaka kely ny dian’ny delegasionina Malagasy dia ny minisitry ny raharaham-bahinintsika Atallah Béatrice no hitarika ny fivorian’ireo minisitra Frankofonina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.