Actualités

Hery Rajaonarimampianina Hividy “force one” amin’izay ?


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

Mitombo voninahitra hatrany ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina noho ny fampiantranoan’i Madagasikara ireo fivoriana iraisam-pirenena maro tato ho ato.

 Ny tenany no filohan’ny Comesa, ary mbola ho filohan’ny frankofonia ihany koa aorian’ny fahavitan’ny fihaonambe. Midika izany fa ho maro ny fivoriana sy fihaonana iraisam-pirenena isan-karazany ilana azy sy mila ny fanatrehany. Mety tsy ho hita matetika eto amin’ny firenena intsony ny tenany fa hisidina atsy sy aroa. Tsy vitan’ny dia tsotra anefa izany fa mila fiaramanidina manokana, toy ireo tompon’andraikitra ambony iraisam-pirenena maro.  Ny zotra Air Madagascar rahateo iaraha-mahalala fa tsy mety tafarina fa mitsipozipozy tanteraka noho ny tsy firaharahana sy tsy fahaiza-mitantan’ny fanjakana. Efa resaka nandeha teto amin’ny firenena ny nividianan’ny filoha fiaramanidina saingy tsy nisy tohiny ny resaka, ary nandeha ny feo fa nomena nampiasain’ny orinasa iray izay an’ny olona akaiky azy. Ankehitriny kosa, dia mitaky ny fananana izany ny anaram-boninahitra sy ny toerana iantsoroahany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hanaiky mora izany ve ny vahoaka ? Ny rehetra mantsy dia samy miteny fa i Madagasikara aza tsy voafehin’ny filoha kanefa izao indray izy dia efa miditra amin’ny sehatra ambony kokoa. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fivarotana ilay raopilanina Boeing 737-300 “Force one 2” an’i Marc Ravalomanana tamin’ny andron’ny tetezamita naha minisitry ny vola azy ny tenany.  22 tapitrisa dolara no voalaza fa nivarotana azy saingy tsy nisy ny mangarahara, ka hotsarain’ny tantara amin’izay izany ny filoha Malagasy.


Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT