Actualités

Herivelona Ramanantsoa Nahatsiaro manokana an-dRakoto Abdon


  • Zoma 12 Desambra 2014

Nodimandry ny alarobia lasa teo Rakoto Abdon mpilalao sady kapitenin’ny ekipa nasionaly eo amin’ny taranja Rugby à XV tamin’ny taona 1970

Anisan’ireo mpilalao nankafizin’ny tanora mpitia an’ity taranja ity ny tenany . Nahatsiaro manokana azy Atoa Herivelona Ramanantsoa minisitra teo aloha ary mitantara ireo zavatra tena nanamarika azy manokana momba ity andrarezin’ny baolina lavalava no sady mpilalao Hand-ball ihany koa. “Fony nitantana mivantana na an-kolaka ity taranja ity ny tenako dia  Rakoto Abdon no nantsoiko ho mpanazatra ny ekipa nasionaly.... Ankoatra ny talentany dia olona mpanabe izy. Na dia tsy mitovy aza  ny fileovana nisy anay dia mpankafy an’ity zoky eo amin’ny filalaovana Rugby ity ny tenako. Mpilalao iraisam-pirenena teo amin’ny taranja hand-ball koa Izy”. Troisème ligne centre (na troisième ligne kaly hoy ny fiteny eny Antanimena) fony izy nilalao. Indraindray koa dia deuxième ligne no nampilalaovana azy. Tao amin’ny Amitiés sportive no fileovana nilalaovany. Ny mitsambikina amin’ny touche (sauteur) no manavanana azy. Izy no kapitenin’ny ekipa nasionaly malagasy raha nihaona tamin’ny La Voulte izay nisy an-dry Jacques Fouroux (torana teny Mahamasina vokatry ny placage Ankazomanga nataon’i Nono), Guy Camberabero, Lilian Camberabero, Jean Claude Noble…samy mpilalao iraisam-pirenena frantsay ry zareo ireo. Resy tamin’ny elanelan’isa kely isika malagasy. Mbola Rakoto Abdon ihany koa no kapiteny tamin’ny fihaonana tamin’ny ekipa nasionaly Italie. 9 no 9 na ady sahala no niafaran’ny lalao. Tamin’ny 1970 no natao teo i Mahamasina ireo lalao roa ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT