Actualités

Herisetran’ny zandary Zazavavy 9 taona marary mafy niditra hopitaly


  • Alakamisy 03 Martsa 2016

Hain-trano tany Ambatoaranana, Daraina, Distrikan’i Vohémar ny 6 febroary 2016 no niandohan’ny tantara. Tranon’ny sefo Fokontany no nirehitra tamin’io. I Hortencia, ilay ankizivavy kely, no anisany nahatazana ny lelafo ka nampandre ny tompony fa may ny tranonareo. Izy avy hatrany anefa no nosamborin’ilay Sefo Fokontany, ary nampangainy fa nandoro ny tranony.

Fanintelony tamin’io no nampirehitra ny tranon’ilay sefo Fokontany, ary avy ao anatiny ihany no niandohan’ny afo tamin’ny roa voalohany. Nampiantso kartie mobila efa-dahy ny Sefo Fokontany nisambotra an’i Hortencia sy ny zokiny lahikely 12 taona ary ny reniny.

Notazomina tao an-tranon’ilay Sefo Fokontany ny alin’io izy telo mianaka. Mandritra izany dia efa nanafatra zandary avy ao Daraina ny lehiben’ny Fokontany. Ny nahagaga dia tsy navelan’ireo hatory teo anilan’ny reniny ilay vavikely fa kartie mobila roa no matory niaraka taminy, fa ny reniny dia nomena trano hafa.

Ny alahady 07 ferboary tokony tamin’ny 10 ora maraina no tonga ny zandary roa avy any Daraina. Nofatorana tanana sy notapenana maso ilay zazavavy ary niharan’ny herisetra samihafa : tehamaina, nokapohina fehin-kibo, noketohina tamin’ny “pince” vy ny sofiny, … niantso vonjeo ilay zaza “maty aho mama”, hoy ilay zaza.

Ny reniny etsy ivelan’ny trano, mitomany maheno ny fampijaliana natao an-janany amin’ny zavatra tsy nataony nefa hoterena hanao sonia fa nandoro ny tranon’ny Sefo Fokontany.

Nanomboka narary ilay zaza ny 14 febroary ka voatery nampidirina tao amin’ny CSB2 Daraina. Tsy nisy fihatsarany ny fahasalamany, ka nalefa hotsaboina amin’ny hopitaly Salfa Vohémar tamin’ny 23 febroary. Ny tao indray nandefa azy tao Sambava nanomboka ny talata 01 martsa teo.

Nametraka fitarainana eny amin’ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary any Vohémar ny zoma 26 febroary 2016 teo Rtoa Céline, renin’i Hortencia noho ny fanitsakitsahana ny zon’ny olombelona nihatra tamin’ny zanany vavikely ity. Manahy mafy anefa izy fa toa ho vitavita ho azy ity raharaha ity ka malahelo izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT