Actualités

Herisetra tafahoatra Mamono olona ny GSIS


  • Alatsinainy 05 Janoary 2015

Ny alin’ny zoma 02 janoary nifoha ny sabotsy 03 janoary teo izao, dia tsy misy indra-fo ny an’ireto zandarin’ny GSIS nalefa hanao tantsoroka ireo namany any Toamasina, fa dia toto vody basy sy daka ary fampijaliana no natao tamin’i Andriantsalama Mamisoa Daniel (Mamisoa na Babali),

 42 taona, izay mpanao gazety mpaka sary teo aloha tao amin’ny RTA Toamasina sy mpiasan’ny Parabole Madagascar, ary filohan’ny ligy Atsinanana amin’ny taranja tsipy kanety be ity. Efa nalemilemy ity farany vao naterin’izy ireo tany amin’ny hopitaly. Nanamafy rahateo ny teo anivon’ny hopitaly fa olona efa miala aina no tonga teo amin’izy ireo ny sabotsy maraim-be ka tamin’ny 04 ora maty.

 

Manome 48 ora

 

Samy manana ny filazany avokoa na ireo namono na ny fianakavian’ny maty. Ho an’ny GSIS tamin’ny alalan’ny jeneraly misahana ny fari-pididian’ny zandary Toamasina, dia niaiky izy fa nisy ny daroka natao an’i Mamisoa saingy laviny kosa ny filazana fa daroka nataon’ny ekipany no nahafaty azy. Resaka fahamamoana be loatra no namaritany ny fahafatesana. Ho an’ny fianakaviany, tamin’ny alalan’ny vadiny, kosa izay nahita maso ny zava-nitranga rehetra dia nilaza izy fa tena nanaovana “daroka alika” tamin’ny vody basy sy daka i Babali. Araka ny fanazavan’ny vadin’ny maty dia tratran’ny Emmo-Securite Toamasina ambodiomby saika handoro kodiarana teo amin’ny arabe i Babali raha tafatsoaka ireo namany. Izany dia vokatry ny delestazy tamin’ny zoma alina izay niteraka fitsofana kirorioka sy fampanenoana sarom-bilany tao Tanambao I sy II ary Tanamborizano. Nambaran’ny vadin’ny maty hatrany fa tsy nidaroka an’i Babali ny ekipan’ny Zandary Toamasina ireto, fa nametraka azy tao anaty fiara 4x4 fotsiny hoentina hanaovana fanadihadiana. Ny fahatongavan’ireto zandarin’ny GSIS avy ao aoriana no nanomboka ny daroka samihafa nihatra taminy. Hentitra moa ny fianakaviny omaly nilaza fa manome 48 ora ny zandary izy ireo hamoaka ny marina mikasika ity famonoana an’i Mamisoa ity. Tsy nangina ihany koa ireo mpiara-milalao aminy sy birao eo anivon’ny ligin’ny tsipy kanety be, tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina Kly Rakotonirina Charles, izay nilaza fa “olona mahay miaina sy tsy mpidoroka ary tsy mamo lava izany” ny filohan’izy ireo. “Fandotoana ny maty ny zava-misy ka tsy azo leferina”. Tokony hanokafana ny fanadihadiana ny raharaha, fa lasa matimaty fahatany ny olona iray noho ny herisetra tafahoatra. Namela mananontena sy kamboty fito mianadahy i Mamisoa izao nodimandry izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT