Actualités

Herisetra atao amin’ny vehivavy Mety misy idiran’ny kolontsaina


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Ny tetikasa SAHALA dia natao hiadiana amin’ny tsy fandraisan’anjaran’ny lehilahy sy hiadina amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.

  Nanatanteraka atrikasa fohy tao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy etsy Antsahavola izy ireo omaly mba hanazavany ny anjara birikiny ao anatin’izay ady amin’ny fanaovana zinona ny andriambavilanitra izay. « Ny kolontsaina sy ny soatoavina izay mifehy ny fiarahamonin’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara» no lohahevitra niaingan’izy ireo tamin’ity atrikasa ity. Antony dia ny mba hanadihadiana raha mitarika herisetra ny kolontsaina malagasy na efa kolontsaina mihitsy. Fanontaniana napetrak’izy ireo ihany koa ny hoe azo hanabeazana ny olom-pirenena rehetra ve izay kolontsaina malagasy izay ?  Taorian’ny atrikasa izay niompana tamin’ny lalàna mikasika ity karazana herisetra ity sy ny ara-kolontsaina moa dia fizarana fahatelo hamaranana azy amin’ny manaraka ny mikasika ny valim-panontaniana tokony ho azo amin’izay anjara toeran’ny kolontsaina sy lalàna izay eo amin’ny fiarovana ny vehivavy.


Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT