Ny 60%-n’ny lehilahy no fantatra fa manao herisetra amin’ny vadiny eto an-drenivohitra.
Tsy hanavahana saranga fa voasokajy avokoa ny tokantrano rehetra saingy ny endrika hisehoany no tsy mitovy, hoy Rabaribako Toavina, mpanentana ara-tsosialy eo anivon’ny tetikasa Sahala. Misy ireo avy hatrany dia mikasi-tanana rehefa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny sainy. Ao koa ireo manao teny maharary mahavaky fo. Fahombiazana no azon’ity tetikasa iray ity tao anatin’izay 12 volana nijoroany iadiana amin’ny herisetra mpahazo ny vehivavy. Ny 50%-n’ny tanjona nokendren’izy ireo no efa tratra. Anisan’ny asa niantsorohany nahafahany nanatanteraka izany ny fiarahany niasa tamin’ireo fokontany miisa folo eto an-drenivohitra ka nampahafantarana ny lehilahy rehetra fa mampigadra ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy sady manakorontana fiarahamonina ihany koa. Narahina fizarana boky kely mandrafitra ireo karazan-dalàna mifandraika amin’izany mihitsy ny hetsika, ny famokarana fandaharana tamin’ny alalan’ny vata fandrenesam-peo…Olona manodidina ny 500 teo no efa nahazo tombontsoa, asa izay mbola ezahina hotohizana hatrany mandrapahafoanan’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Anisan’ny paikady hotanterahin’izy ireo manaraka ny fanohizana ny sekoly ho an’ny ray aman-dreny, ny famokarana horonan-tsarimihetsika, hampitomboina ihany koa ny fizarana afisy. Mamatsy vola ny tetikasa ny vondrona Eoropeanina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.