Hazava tanteraka amin’izay ny tanàna ao Soaniedanana, PK 67, any amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Tonga ny faran’ny herinandro teo ny jiro fanampiny hanazava ny tanàna vokatry ny ezaky ny fikambanana HAFARI Malagasy, tompon’antoka amin’ilay tetikasa fifindra-monina ao an-toerana.
Fitaovana marobe hahazoan'ny isan-tokantrano mihaino radio, micharge telefaonina, mampandeha ny takamoa....amin'ny alalan'ny panneau solaire manana tanjaka 3 watt ka hatramin'ny 10 KVA isanisany no napetraka avy hatrany tany an-toerana omaly vokatry ny fiaraha-miasan'ny fikambanana sy ny orinasa JIVIMA ( Jiro Vita Malagasy). Tanjona ny mba hahafahana manazava ny tanàna iray manontolo amin’ny maha faritra lalovan’ny lalam-pirenena azy raha eo ihany koa ny ady amin'ny mety ho firehetan'ny trano ateraky ny fampiasana labozia sy jiro solitany. Hitohy isan-kerinandro ny famatsiana fanampina jiro ho an'ireo mponina rehetra any an-toerana izay fantatra fa mitombo tsy miato amin'izao fotoana izao. 150.000 Ar moa ny kits complet amin’ity fitaovana ity, araka ny fantatra izay natao indrindra hanomezan-danja ny vita malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.