Sambany isika eto Madagasikara no hankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny vola na ny “Global Money Week” hiarahana amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola ary ny APIMF.
Nankalazaina nanomboka omaly alatsinainy 14 martsa ary haharitra herinandro izy io. Hampiavaka ny hetsika ny fanomezana vahana manokana ny tanora sy ny ankizy mpianatra malagasy amin’ny alalan’ny fanentanana. Sekoly maro no voakasika, toy ny EPP sy CEG etsy Antanimbarinandriana izay hatomboka amin’ny fampisehoana horonan-tsarimihetsika mitondra ny lohateny hoe : “Izaho sy ny volako” arahin’ny fifaninanana manao sary mifandraika amin’io lohahevitra io hatrany. Toraka izany koa ny mpianatry ny Lycée Moderne etsy Ampefiloha, ny Lycée Jules Ferry, ny Lycée Andohalo, ny Lycée Rabearivelo miampy ny oniversite tsy miankina Aceem sy ny Oniversite katolika eto Madagasikara. Fampianarana ny tanora hahay hampiasa vola sy hitahiry izany no tanjona hanatsarana ny ho aviny rahatrizay sy hampandrosoana ny firenena iray manontolo, raha araka ny fanazavan-dRamparany Tiana, mpandrindra nasionalin’ny lafiny ara-bola eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Toraka izany koa ny fahaizana mikirakira sy manaja azy ireny, eny fa na dia ho an’ny fahasalamana sy ho fiarovana amin’ny asan-jiolahy fotsiny aza. Tetsy Anosy no nanatanterahana ny lanonana, omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.