Nifarana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny herinandron’ny akoranafo.
Nanambara ny minisitra, Vonjy Andriamanga fa tokony ho tombony amin’ny mpanjifa sy ny mpaninjara solika ny vidin-tsolika. Miankina amin`ny vidin`ny barila any ivelany sy ny vidin`ny dolara ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Eo ihany koa anefa ny politikam-panjakana sy ny fifanarahana amin`ireo mpandraharaha ara-tsolika izay mety mampiova ny saran`ny solika. Nanambara ny teo anivon`ny Ofisy Malagasin`Akoranafo OMH fa tsy nampihatra ny vidin-tsolika tena izy mihitsy Madagasikara tamin`ny taona 2018. Nisy hatrany ny elanelana tamin’ny vidin-tsolika tena izy sy ny vidy amarotana azy eny amin’ny toby mpaninjara solika. Tamin’ny volana janoary 2019 teo aza dia mbola nisy elanelany 300 Ariary izany. Tratra anefa ny vidiny tena izy (verité de prix) tamin’ity volana febroary ity araka ny tatitry ny Tale jeneralin’ny OMH, Laurent Rajaonarivelo nandritra ny herinandron’akoranafo natomboka tamin’ny alarobia lasa teo izay tapitra tamin’ny zoma tetsy Ampandrianomby. Nisy ihany koa moa ny famoahana ny laharan’i Madagasikara ny amin’ny saran’ny solika ampiharina. Tamin’izany no nilazana fa tsy lafo velively ny vidin’ny solika eto amin’ny firenena raha oharina amin’ny any ivelany: ao amin’ny firenena anatin’ny Oseana Indiana dia ny vidin-tsolik’i Madagasikara no mora indrindra. Mitana ny laharana faha-14 kosa izy raha aty Afrika ary faha-78 maneran-tany. Na izany aza dia nilaza izy ireo fa mila miverina miresaka ny fanjakana sy ny mpandraharaha ny solika handinihana hatrany ny marimaritra iraisana ny amin’io vidin-tsolika io izay hiompanan’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena. Efa nisy ihany saingy tsy tanteraka noho ny fisian’ny fifidianana lasa teo.
Nandritra ny famaranana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.