Actualités

Hentitra ny Sendikan’ny Mpitsara “Fitsoahana efa nomanina ny an’i Claudine A&C”


  • Talata 11 Aprily 2017

Omaly alatsinainy 10 aprily tamin’ny 3 ora maraina sy 30 minitra, raha ny fanazavan’ny tale misahana ny toeram-pitsaboana (directeur d’établissement) ao amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha,

 

 no nivoaka ny efitra famelomanaina niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny fonja sy ny tompon’andraikitry ny fitsarana ilay mpandraharaha voarohirohy amina resaka kolikoly avo lenta, Claudine Razaimamonjy. Tonga teny an-toerana moa ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara (SMM), omaly tamin’ny 11 ora sasany nanao fanadihadiana teny an-toerana mikasika ny fomba nivoahan’ity voalaza ho marary mila fameloman’aina ity tao ary dia izay ihany no valin-teny azo sy voarakitra an-taratasy. Notadiavina teny amin’ny minisiteran’ny fitsarana avy eo ny minisitra tompon’andraikitra saingy tsy hita popoka. Raha ny fanambaran’ny filohan’ny SMM, Fanirisoa Ernaivo omaly, dia fitsoahana nomanina ny fivoahan’i Claudine Razaimamonjy, ary nisy olona ambony nanampy tamin’ny fanatanterahana izany. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay toerana namindrana ilay mpandraharaha vaventy. Tsilian-tsofina no nahenoana fa navoaka ho atsy amin’ny nosy Maorisy izy hanaraka fitsaboana satria tsy vita eto an-toerana noho ny tosidra diso niakatra nanjo azy ka ilana ilay antsoina hoe angiographie. Milaza ny hanome fanazavana misimisy moa ny SMM rehefa mazava ny raharaha.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT