Namoaka fanambarana ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina, avy amin'ny lahimatoan'Imerina, Lehiben'ny fianakaviamben'ny Andriana Merina sady lehiben'ny fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara ny sabotsy 15 febroary teo.
Mahakasika ny fikitihana sy ny fanamboarana ny Rova eny Manjakamiadana izany. Toerana Masina io ary ny fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony hanaraka ny soatoavina sy ny fomba ary ny kolontsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin'ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa, hoy izy. Ny tsy fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin'ny firenena, hoy ity lehiben’ny fianakaviamben’ny Andriana ity. Tany masina i Madagasikara. Tany aloha dia efa nilaza ity Printsy ity, fa tamin’ny fananganana ny Lapa Manjakamiadana sy ireo hafa ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, dia efa misy ny karazan’olona manamboatra azy. Ohatra amin’izany ny mahakasika ny hazo rehetra, izay iantsorohan’ny Andriantompokoindrindra. Ny mikasika ny volafotsy dia ny Andriandranando, ny volamena dia ny Zanadralambo,… Misy zavatra mila arahina fa tsy atao kitoatoa ary tamin’izany no nilazany fa mahafolaka an-datony ary mampianjera fitondrana ny fanaovana zavatra tsy mety amin’io Rovan’Antananarivo izay toerana masina io. Tsy maintsy ary mila miera amin’ny fiombonamben’ny Apanjaka eto Madagasikara, hoy ity filohany ity tamin’izany hoe : ahoana ny fomba hanarenana an’io Rovan’Antananarivo io satria izahay no mitazona ny lakile mikasika ny fanamboarana an’io, ka tsara ilay eritreritra fa tsy maintsy mifampiresaka aminay mba tsy hanaovana zavatra kitoatoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.