Actualités

Hentitra ny Polisy “Aza itsabahana ny asanay”


  • Talata 26 Janoary 2016

Tsy hijanona ny polisim-pirenena raha tsy voasambotra avokoa ireo tena atidoha nikotrika iny fakŕna an-keriny an’i Arnaud tany Toamasina iny.

 

Io no nambaran’ny talen’ny polisim-pirenena ny kaomisera Randrianirina Alain Bruno sy ny kaomisera Rakotondrasoa Jean de Matah, lehiben’ny sampan’asa ao amin’ny « brigade criminelle » izay nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly. Olona folo izay efa samy mpamerin-keloka avokoa sy efa voamarina fa olona mifonja no akamaroan’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ity fakàna an-keriny an’i Arnaud ity. Araka ny fantatra dia mbola mitohy ny fikarohana ary mbola hisy ny olona hosamborina. « Mino izahay fa mandritra ny fanadihadiana dia tsy maintsy ho hita izay tena mpibaiko ireto mpaka an-keriny ireto. Momba ireo fitaovam-piadiana mahery vaika nampiasain’ireo mpanao kidnapping kosa indray dia miandry ny tatitry ny etamazaoro jeneralin’ny tafi-bahoaka izay hanome ny anaran’ireo tompon’ireo fitaovam-piadiana ireo ny ho tohin’ny fanadihadiana. Raha manao jery todika kely anefa dia efa maromaro ihany izay fitaovam-piadiana mahery vaika tratra izay fa tsy dia mba heno loatra hatramin’izay ny tena tompon’izy ireny. Iray tamin’ireny, ohatra, ny basy mahery vaika izay tratra tany Maevatanana sy ireny tratra entin’ny mpamaky trano eto an-drenivohitra ireny fa dia ho hita eo indray moa ny amin’ity indray mitoraka ity. Momba ilay mpitsara nosamborina kosa dia mbola miatrika fanadihadiana eo anivon’ny fitsarana an-tampony ny tenany. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly ihany dia nanamarika ireo avy ao amin’ny polisim-pirenena fa tsy tokony hiditra lalina loatra amin’ny asan’ny mpitandro ny filaminana izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitadiavana ny olo-meloka amin’ity raharaha ity ny dadan’i Arnaud fa tsy anjaran’ny sivily ny misava tranon’olona, hoy hatrany izy ireo.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT